TARATRY ny KANTO

Nihazo an’i Mahajanga ny nofo mangatsia­kan’i Rira. Niainga omaly, teto Antananarivo, ary no­tsenaina androany maraina, eny amin’ny sampanana Boanamary. Nifanentana ireo mpanakanto ao Maha­janga, hotronin’ireo mpankafy fa hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Rira hataon’izy ireo, anio. Tsiahivina fa ny sabotsy teo no nodimandry rehefa tsy nahatosika ny aretina nikiky azy i Rira.

Anio no hitsenan’ny vahoakan’i Toamasina an’i Filamatra Matokia. Eny amin’ny Sarimasina, lalam-pirenena faharoa, ny ifampitaona izy ireo handray ity zanak’i Toamasina nanandratra avo an’i Madagasikara ity. Tsiahivina fa i Filamatra Matokia no nahazo ny laharana voalohany nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena “Our Generation” natao tany Rosia, ny 16 novambra teo.

Efa misokatra ho an’ny rehetra nanomboka omaly, ny fampirantiana «4 seasons» an’i Benjamin Loyauté, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadim­bahoaka. Fampirantiana maneho zavakanto mampifandray ny hita sy ny tsy hita maso. Olo-manan-kaja sy manam-pahefana maro no niatrika ny fanokafana izany. Anisany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.

Partager sur: