Natomboka tao amin’ny CEG Amborovy Mahajanga ny tetikasa « Ankizy Mihary », tamin’ity herinandro ity. Mpianatra eo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa 3 000 mahery manerana ny Nosy no hisitraka izany.
Tanjona ny hikatsahana famoronana asa, toy ny asa tanana, rary rafia, ny fiompiana trondro anaty dobo… Mba tsy hiantehitra amin’ny fitadiavana asa, araka ny mahazatra ireo tanora.
Sehatrasa mora atao sy mamokatra eny amin’ny faritra no volavolaina ho an’ireo mpianatra hahaizany mihary dieny mbola tanora ary tsy hanantena ireo tolotrasa mahazatra fahita andavanandro.
Apetraka any an-tsain’ny mpianatra avy hatrany ny fananana toe-tsaina miabo tia mihary sy manana lalan-tsaina hamorona asa amin’izay zava-misy eo an-toerana.
Nitsidika ireo ivontoeram-piofanana ho an’ny manana fahasembanana sy ny vehivavy izay misehatra amin’ny fanamboarana aron’akanjo eo anivon’ny Dren Boeny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tany an-toerana.
Tatiana A