Volavolan-dalàna miisa telo ho fankatoavana fampindramam-bola no nolanian’ireo solombavambahoaka nandritra ny fivoriana omaly, teny Tsimbazaza, notariin’ny filoha mpisolo toerana, Augustin Andriamananoro. Entina hanatanterahina tetikasa hiatrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny sehatra maro ireo vola trosaina ireo.
« Mitovy zo ny kandidà » hoy ny avy eo anivon’ny KMF Cnoe, nandritra ny fanambarana nataony ny alatsinainy teo, teny amin’ny foibe toerany Antanimena. Takin’ny fikambanana ny fitovian-jo tanterahin’ny mpikirakira fifidianana sy ny fitondram-panjakana amin’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina kaominaly na monisipaly, amin’izao fampielezan-kevitra sy fiatrehana ny fifidianana izao.
Noraisin’ny praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo, omaly, ny delegasionin’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa (OIT), tarihin’i Fanfan Rwanyindo Kayirangwa, Talem-paritry ny OIT aty Afrika manontolo. Anisan’ny nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny firesahana ny mahakasika ny ezaka ametrahana ny lalàna vaovao mifehy ny asa eto amintsika.
“Ao anatin’ny fitambarana no ahazoana fandresena”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy, filohan’ny Antoko Freedom. Vonona ny antoko hanohana ny kandidà Harilala Ramanantsoa, mirotsaka ho fidina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.