Fifehezana loza voajanahary: nanome vola 200 000 dolara ny Vondrona afrikanina

Mahatratra 200 000 dolara amerikanina ny vola avy amin’ ny Vondrona afrikanina (UA), ho fanohanana ny asa fifehezana ny loza voajanahary eto Ma­da­gasikara. Nandray izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavita­fika, teny amin’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny, Anosy, oma­ly. Nitarika ny de­legasiona na­nolotra azy ny ambasadaoron’i Burundi sady lehiben’ny iraka fanombanana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy nataon’ny UA, Sem Willy Nyamitwe. Mampiseho ny fi­raisankina eo amin’ny firenena afrikanina sy ny fanohanana ireo mponina marefo ny hetsika.
Talohan’izany, nitsidika ny minisitra Rafaravavitafika Rasata ny ambasadaoro Willy Nyamitwe sy ny ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier. Fana­ma­fisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny UA ny dinika. Manome lanja ny fitantanana mirindra ny loza sy ny fampandrosoana maharitra ny Agenda 2063. Na izany aza, miatrika fanamby lehibe vokatry ny loza voajanahary i Mada­gasikara. Ma­hatratra 444 224 olona voakasika ny loza, 174 489 nafindra toerana. 110 000 hektara ta­nimbary simba, mam­­pitombo ny tsy fahampian-tsakafo. Eo koa ny fotodrafitrasa simba mi­tentina an-tapitrisany dolara.
Ho valin’izany, manohy ny fampiharana paikady sy politika mafonja toy ny PNLCC sy ny asa ataon’ny BNGRC mba ha­namafisana ny faharetan’i Madagasikara manoloana ny loza sy ny fiovan’ny toetr’andro ny governemanta malagasy, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.

R. Nd.

Partager sur: