Lasa orinasa afrikanina : Niova anarana ho Yas ny Telma

Maro ny vitan’ny orinasa Telma nandritra ny 20 taona nisiany. Niova anarana ho Yas, sady lasa orinasa hita any amin’ny firenena afrikanina efatra hafa.

Nitondra fivoarana maro sy haingana teo amin’ ny tontolon’ny fifandraisan-davitra teto Madagasikara ny orinasa Telma, ao anatin’ny vondrona Axian, hatramin’ ny naha orinasa tsy miankina azy ny taona 2004. Nam­baran’ny administratera tale jeneraly (ADG), Patrick Pisal Hamida, fa maro ny zava-bita nandritra izay 20 taona izay, toy ny fihazakazahan’ny fametrahana ny tanjaka 3G, ny 4G ary ny 5G ankehitriny, satria nitombo ny fampifandraisana an-tariby ambanin’ny tany, fibre optique, miisa efatra ampiasain’ny Telma.
Mihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojia. Nanao fampiasam-bola goavana ny vondrona Axian Telecom, nanitatra ny ambaindahiny any amin’ny firenena afrikana efatra (Kaomoro, Togo, Tanzania, Senegal).
Nilaza ny filoha tale jeneraly (CEO) ny vondrona Axian, Hassanein Hiridjee, fa amin’izao faha-20 taonan’ny Telma izao, tonga ny fotoana hamadihana pejy vaovao indray. Miova ho Yas ny anarana isaloran’ny orinasa, iraisan’ireo sampana aty Afrika. Tsy manana sisintany ny fifandraisan-davitra, ary tsy manana sisintany koa ny vondrona Axian. Nanamarika kosa ny ADG, Patrick Pisal Hamida, fa voalohany teo amin’ny tantaran’ny fifandraisan-davitra no nisy orinasa malagasy niitatra hatrany Afrika. Orinasa faha-6 eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra aty Afrika ny Axian Telecom.

Tsy miova ny MVola
Sampana ao anatin’ny Telma, lasa Yas, ny orinasa MVola. Notsipihin’ny ADG, Patrick Pisal Hamida, fa marika matanjaka sady sangany eto Madagasikara ny MVola. Noho izany, tsy miova io famantarana io amin’ny sehatry ny fifanakalozam-bola, tsy miova koa ny tolotra omeny, ary mitohy ny fifandraisany amin’ny mpanjifa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: