Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary noho ny fanaovana vola sandoka, omaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, niely ny resaka tao an-tanànan’i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka. Nitombo isa hatrany ireo olona voafitaka noho ny fiparitahan’ny vola sandoka tao an-toerana ka tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny fokontany. Tsy niandry ela ny polisy fa nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Nametraka vela-pandrika ny polisy mba hahafahana manara-maso ireo jiolahy ahina ho tompon’antoka amin’izany. Nahitam-bokany izany satria voasambotra teo amin’ny seranana Andovosira ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanaparitaka izany ao Mananjary. Ny famotorana azy no nahafantarana fa vola sandoka mitentina 168 tapitrisa Ar no teo am-pelatanany izay mbola saika hamidiny.
J.C