«Mondial 2024» : Vonona ny ekipa malagasy amin’ny tsipy kanetibe

Ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanan-tena hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe ny ekipa malagasy, ankehitriny. Fametrahana ny paikady sisa ataon-dry zalahy. Vonona tanteraka ireo mpilalao hiatrika izany fihaonana an-tampony izany.

J-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-telo miaraka, lehilahy, sokajy sénior, anio. Fihaonana, tanterahina any Dijon France, ny 5 – 8 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny ekipam-pirenena ma­lagasy amin’izao fotoana izao. Efa 1 volana izay no mi­vondrona eny Imerintsiatosika izy efatra mirahalahy: i Zigle, Tiana kely, Donald ary i Racle. Nambaran’i Hery Morondava, mpanazatra, fa mafy ny fanazaran-tena. Tsy maintsy mi­ain­ga amin’ny fitsipi-pitondrantena na ivelany na anaty kianja. Ny fahaizana samy manana ireo mpilalao rehetra ireo fa ny zava-dehibe dia ny fampiarahana ny teknika sy ny taktika.

Raha tsy misy ny fiovana, hiainga alohan’ny faran’ity volana novambra ity ny delegasiona malagasy. Anton’ izany, raha ny nambaran’ Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation sport boule ma­lagasy (FSBM), ny hizarana ny toe-tany any an-toerana izay mangatsiaka tokoa amin’ izao fotoana izao. “Efa vonona ny mpilalao saingy miantso ary miangavy ny fitondram-panjakana ny tenany, hanome tanana sy hanampy ny delegasiona malagasy, amin’ity fiatrehana ny Mondial ity. Hamerina ny anaram-boninahitra eto Madagascar indray ny tanjona amin’ity, izay efa tamin’ny 2016 no nahazoana izany farany”, hoy izy.
Tsiahivina fa mpilalao efa za-draharaha avokoa ireo mandrafitra ny ekipa malagasy ireo, miaraka amin’ny mpanazatra satria efa niatrika fifaninanana maro tany France, tamin’ity taona ity. Racle, mpila ravinahitra, fantatry ny mpifanandrina tsara ny traikefany sy ny zava-bitany ka tombony betsaka ho an’i Mada­gasikara.

Torcelin

Partager sur: