Voasambotry ny zandarimaria ny jiolahy telo lahy sy ny namany izay atidoha tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao Tsiroanomandidy. Nahatrarana basy sy ambim-bola nangalariny izy ireo.
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’i Fenoarivobe, ny tambajotran-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana kamiao mpanangom-bokatra, afakomaly. Telo lahy tompon’antoka mivantana ary nandray anjara tamin’ny fidarohana ny mpamilin’io fiara mpitatitra vokatra io raha toa ka mpiray tsikombakomba ny roa lahy namany. Mpianaka ny roa lahy tamin’ireo voasambotra ireo. Nitrangana fanafihana nitam-piadiana tao amin’io kaominina io, ny marain’ny 10 novambra tamin’ny 5 ora. Nosakanan’ny olon-dratsy telo lahy ny fiarabe mpitatitra vokatra. Novakin’izy ireo ny fitaratry ny fiara. Notereny hanome ny vola rehetra teny aminy ny mpamily. Tsy afa-nanohitra ity farany sy ny mpanampy azy. Voaroba ny lelavola nitetina 10 tapitrisa Ar. Nitsoaka ireo nahavanon-doza taorian’izay.
Mpianaka miray tendro
Nanokatra fanadihadiana lalina momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Fantatra nandritra izany, ny toeram-ponenan’ireo olona telo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy nandroba ny vola. Vokany, voasambotra tao amin’ny tanànan’Ambohitromby, ny iray. Nanaovana vela-pandrika ka tratra tao amin’ny tanànan’Ambavahady Anosy ny efa-dahy namany. Mpianaka ny roa lahy tamin’ireto farany. Nampiriminin’ny rainy ny fitaovam-piadiana sy ny anjara vola azon’ny zanany nandritra ny fanafihana. Nitetina 6 tapitrsa Ar io lelavola nasitriny niaraka tamin’ny basy io. Nafeniny tany am-balan’omby ilay basy. Ankoatr’io, mpamerin-keloka amina raharaha halatra omby ny iray tamin’ireo dimy voasambotra ireo. Lehilahy iray naman’izy ireo mbola karohina amin’izao fotoana.
Tsiferana R.