SOMBIM-BAOVAO

Nisongadina indray ny Malagasy mpilalao tenisy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanao pao-droa mantsy Rajaobelina Iriela, nandritra ny “Circuit J30 Abidjan”, sokajy junior, vehivavy. Fihaonana natao tao amin’ny Kianja international Tennis Club de Sofitel ao Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, nandrombaka ny amboara ny olon-tokana sy olon-droa izy.
Efa vonona tanteraka ny hiatrika ny fifaninanam-pirenena ny klioban’ny Fosa Junior. Ny alahady lasa teo, tany Mahajanga, nomontsanin’izy ireo tamin’ ny isa mavesatra, 4 no ho 0, ny klioban’ny Uscafoot, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana entina hanomanana ny taom-pilalaovana vaovao. Tsiahivina fa samy mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)” avokoa ireo klioba roa ireo.
Hifarana ny herinandro voalohan’ny volana desambra eo ny fandraisana taratasy ho an’ireo mpanazatra maniry ny hitondra ny ekipam-pirenena mala­gasy Barea A. Marihina fa teknisianina manana diplaoma Uefa Pro na Licence A no afaka hitondra ity ekipa nasionaly ity. Efa nandefa ny taratasiny moa i Gilles Hugon, mpanazatra vonjimaika ny Barea farany teo.
Hotontosaina any Anfield Angleterre, ny fihaonana eo amin’ny Liverpool FC, ekipa anglisy, sy ny Real Madrid, Espaniola. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanana eoropeanina “Ligue des Champions 2025”, taranja baolina kitra. Ampahatsiahivina ihany fa mbola manala vela ny ekipan’ny Liverpool amin’ity fifanandrinana ity.

Partager sur: