Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy.
Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanasongadinana ny kandidà sy ny vinan’asany. Na dia jambenan’ny fahasahiranana aza ny olona, mbola afaka ny mandanjalanja sy tsy mihinana amam-bolony. Mijery tsangan-kevitra fa tsy mijery tsangan’olona. Mamakafaka ny homem-bato fa tsy mitsambiki-mikipy akory.
Izay indrindra no tokony hampisaina ny mpandrindra ny fampielezan-kevitra. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra mihitsy hoe tompon’ny fandresena izany, avy hatrany. Mila lamina sy fahaiza-manao fa tsy handroboka be fahatany ny kandidà amin’ny zotra tsy tokony halehany. Na hampiteniteny foana azy ka mainka manosi-bohontanana ny mpifidy.
Fanamarihana azo atao ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fotoana izao, io. Misy antoko sasany, ohatra mampidi-kizo ny olona tohanany indray ny ataony. Tsy manao doka ho an’ny kandidà fa mamboly kisary ratsy ho azy. Ekena fa misy ny paikady tsy fambara ny besinimaro. Ekena fa betsaka ny “majia-majia” azo lalaovina. Ny vahoaka kosa anefa tsy adala. Betsaka no matory am-pitsanganana fa tsy vitsy koa ny mody matory, miandry kendry tohina.
Fehiny, tsy mila mandrimandry manana aretina na iza na iza kandidà, na aiza na aiza toerana hilatsahana.
r.r