VAOVAO TAMBATRA

Hiroso amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), natao sonia ny 22 novambra teo. Anisan’ny voarakitry ny fiaraha-miasa ny fampiofanana ny mpikambana ao amin’ny Fimpima. Ifantohana manokana ny lafiny fambolen-kazo ala honko any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.
Hapetraka ny rafitra hitaterana an-dranomasina ny kaontenera miainga any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy mankany amin’ny faritra hafa eto amintsika. Izany hoe, afaka mitatitra ny entana anaty kaontenera avy any amin’ny seranan-tsambo, toy ny any Vohemar, ny sambo an’ny mpandraharaha malagasy, mankany amin’ny seranana hafa. Tanteraka izany, vokatry ny ezaka ataon’ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy.
Lany teny amin’ny Antenimierampire­ne­na, omaly, ny volavolan-dalana, mahakasika ny fifanarahan’ny fanjakana sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena mahakasika ny fambolena (Fida). Mamatsy vola azy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena maitso ho an’ny toetr’andro (FVC). Misitraka azy ny tetikasa Defis, hanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana.

Partager sur: