Izay vao tena raikitra. Hanomboka amin’ny sabotsy 30 novambra sy ny alahady 1 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra Pureplay Football League (PFL 2025). Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasy (FMF), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly, fantatra avokoa ireo ekipa miray kaonferansy, izay nozaraina telo tamin’ity raha roa teo aloha. Ho an’ny kaonferansy atsimo, misy ny AS Avenir Ste Anne, ny Mama Fc, 3FB Toliara, Zanakala FC. Ny any avaratra, Fosa Junior, Tsaramandroso Formation Boeny, ASA Diana, FC Theo Sava. Ny afovoany, Disciples FC, AS Fanalamanga, FC Rouge, CFFA, Cosfa, Ajesaia, Elgeco Plus, Uscafoot.
Tompondaka
Fandaharan-dalaon’ny andro voalohany
Sabotsy 30 novambra
Kianja Iavoloha
02 ora 30 : FC Rouge vs Ajesaia
Kianja By-Pass
02 ora 30 : AS Avenir Ste Anne vs MAMA FC
Alahady 1 desambra
02 ora 30 : CFFA vs Elgeco Plus
Kianja Iavoloha
02 ora 30 : AS Fanalamanga vs Disciples FC