Andro roa mialoha ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 hotanterahina eto Madagasikara, efa manomboka tonga ireo delegasiona avy amin’ny firenena afrikanina hiatrika ny fifaninanana. Delegasiona tonga voalohany i Mauritanie, izay nigadona teto Madagasikara, ny talata 26 novambra teo. Mpilalao 4 sy Staff 1 no mandrafira ny delegasiona avy any Mauritanie. Marihina fa eo amin’ny sokajy lehilahy ihany no manana solontena ity firenena ity, mandritra izao «Africa Cup 3×3» izao. Halina sy anio kosa ireo delegasiona ambiny no ho tonga avokoa. Ahitana an’i Algérie, Bénin, Centre Afrique République, Comores, Egypte, Kenya, Liberia, Rwanda, Seychelles ary i Ouganda. Misy ireo delegasiona avy eo anivon’ny Fiba Afrika ho avy eto an-toerana ihany koa. Tsiahivina fa firenena 12 manerana an’i Afrika no handray anjara amin’ity «Fiba 3×3 Africa Cup» ity, izay hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 29 novambra hatramin’ny 2 desambra izao. Anatin’ny fanomanana farany ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy, ary tena efa vonona tanteraka hifanandrina amin’ireo ekipa sangany eto Afrika ireo. Etsy ankilany, misesisesy ihany koa ny fanomezana fanampiana sy fanohanana avy amin’ny malala-tanana ho an’ny Ankoay. Manantena ny fanohanan’ny Malagasy ireo mpilalao.
Mi.Raz