Etazonia – Slam National : ho avy eto Madagasikara i Marc Smith

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny andiany faha-15 ny Slam National. Handray andraikitra mivantana ao anatin’ izany i Marc Smith, teratany amerikanina, poeta sady mpanoratra fanta-daza maneran-tany.

Marc Kelly Smith, mpanorina ny hetsika «Slam-poésie» maneran-tany. Fantatra, omaly, fa hanohana ny fahatongavany eto Madagasikara, hiatrika ny «Slam Narional» andiany faha-15 ny masoivoho Ame­rikanina. Hetsika hotanterahina anio ka hatramin’ny 7 desambra izao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’i Marc Smith, amin’io fandalovany eto Madagasikara io ny fitsidihina sekoly sy fanaovana fampisehoana miaraka amin’ny mpanakanto malagasy. Ny fitarihina atrikasa ho an’ny mpianatra eny amin’ny lisea sy eny amin’ny oniversite eto Antananarivo, mandritra ny fitsidihany. Tanjona ny hampisongadina ny hakanton’ ny «slam-poésie» sy ny hafatra mafonja vohiziny. Hoentina ihany koa hanamafisana ny fifanakalozana kolontsaina sy hanohanana ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny zavakanto.

Manomboka mirona any slam amin’ny teny anglisy ny mpanakanto
Nambaran’i Alex Burns, mpanolontsaina lefitra mi­sahana ny serasera sy ny kolontsaina, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny Kudeta Carlton Anosy, omaly, fa : “miezaka ny hampiroborobo ny fifankahazoana amin’ny alalan’ny zavakanto ny governemanta amerikana. Maneho ny fahavononanay hanohana ny fifanakalozana ara-kolon­tsaina sy ny fampiroboroboana ny teny anglisy eto Mada­gasikara ny fitsidihan’i Marc Kelly Smith. Faly izahay mahita ireo mpanakanto vao mi­sondrotra eto an-toerana nanomboka miangaly ny slam amin’ny teny anglisy. Afaka manampy amin’ny fifandraisana ara-kolotsaina sy mampiray ny vondrom-piarahamonina maro ny slam”.
Mahatoky ny hisian’ny fi­antraikany miabo entin’ny fitsidihan’i Marc Kelly Smith ho amin’ny firoboroboan’ny ta­ran­ja slam-poésie eto Mada­gasikara ny Masoivoho Amerikana.

HaRy Razafindrakoto
(Loharanom-baovao : Masoivoho Amerikana)

Partager sur: