Ho mariky ny fanohanana ireo marefo: nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro Rajoelina Mialy

Mariky ny fijoroan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manohana hatrany ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra ary mampirisika azy ireo hioitra sy hanarin-tena, ny hetsika natao omaly.

Lohahevitry ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hoe “mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro « hazavana ho anao » ho an’ireo vehivavy 30 avy amin’ny ONG Mille espoir Anosibe, omaly, tetsy amin’ny Commissariat Central Tsara­lalàna, izay misy ny toeram-piasan’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) ny vadin’ ny filohan’ny Repoblika sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, Ra­joe­lina Mialy. Tafiditra hatrany anatin’ny 16 andro hanaovana hetsika hanehoana asa goavana hiadiana amin’ny herisetra hatrany izany. No­safidian’ ny vadin’ny filohan’ny Repo­blika manokana ny ha­nohana ny BFP satria mitovy, hoy izy, ny tanjon’ny Associa­tion Fitia sy ny BFP dia ny fisorohana ny herisetra, ny fanohanana ireo niharan’ny herisetra, ary ny fitsinjovana ireo mpiara-belona marefo. Rafitra iray eo anivon’ny Polisim-pirenena ny BFP, izay natsangana tamin’ ny taona 2019. Mpiara-miasa akaiky tamin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika hatrany ny BFP .

Anisan’ny mampiavaka ny BFP ireo vehivavy polisy mandrafitra azy. Tany am-piandohana, tetsy amin’ny Commissa­riat Central Tsaralalàna ihany no birao niasan’ny BFP. Amin’ izao fotoana, efa misandra­haka manerana ny Nosy ny BFP. Birao sivy no efa miasa manerana ny Nosy ary birao enina hafa no efa eo an-dalana ny fananganana azy. Nitombo ho 200 koa ireo miasa manerana an’i Madagasikara raha 65 mirahavavy izy ireo teo aloha. Ahitana sampan’ny BFP ihany koa eny amin’ny CPCI Maha­ma­sina izay afaka mandray ireo fitarainana trangana herisetra ara-tsaina,
ara-batana sy ara-toekarena. Raha misy trangana herisetra ara-nofo toy ny fanolanana, alefan’ny BFP eny amin’ny Po­lice des Moeurs et de la Pro­tection des Mineurs (PMPM) ny raharaha. Maneho ny fanohanana ny BFP amin’ny an­draikitra sahaniny ho fisoro­hana ireo heri­setra sy fiaro­vana ny zon’ny vehivavy ny lanonana, omaly.

Vonjy

Partager sur: