Kilalao Malagasy : tsy ampy ny fampahafantarana

Ny Kianja Masoandro eny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nandray ny hetsika «Andron’ny Kilalao malagasy», omaly. Hetsika nampahafantarana ireo kilalao malagasy sahala amin’ ny katro, fanorona, tsobato, raosijamba, sy ny maro hafa. Ireo ankizy mivondrona ao amin’ny fikambanana Ank’Izy sy ireo mianatra eny amin’ny sekoly manodidina no maro an’isa ta­min’ny nandray anjara tamin’ny hetsika. Tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny ho an’ny mpikarakara. Mbola ezaka lehibe kosa anefa ny famerenana tanteraka ny maha izy izany kilalao malagasy izany amin’ny maha mpikolo saina azy.
Tena nahalina ireo mpandray anjara tokoa ny hetsika. Tao anatin’ny hafaliana no nilalaovan’izy ireo sy namatarany izany kilalao malagasy izany. Vitsy ny efa nahalala fa ny ankamaroany dia noho ity hetsika ity avokoa no nahalalany ireo kilalao. Anisan’izany ny fanorona, vitsilia, tsobato. Maro kosa ireo nampitovy ireo kilalao tamin’ny an’ny vahiny. Liana sy tia ny kilalao malagasy ny ankizy amin’ny ankapobeny fa ny fampahafantarana azy ireo izany no tsy ampy.

Lin

Partager sur: