“Tsotra ny fitakinay: efa nofaranana ny lisi-pifidianana teo aloha, ka evelao hipetraka eo”. Io ny nambaran’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena notarihin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, teny Antanimena, afakomaly, ny amn’ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra ao anaty lisi-pfidianana amin’izao fifidianana izao. Tsy hoe izay feno 18 taona no maka didy hitsivolana, fa izay manana porofo fa tsy tafiditra ao anaty lisitra noho ny antony tsy miankina aminy. Hifarana amin’ny 30 novambra izao ny fahazoana maka didy hitsivolana. Andao hatao lisitra fanampiny ireo maka didy hitsivolana. Hiaraha-mamarana sy mamaky izany: sao misy vao feno 18 taona, ohatra. Mahatsara zavatra ny hanaovana lisitra manokana fanampiny ho an’ireo nampidirina noho ny fakana didy hitsivolana. Na izany aza, takiny hatrany ny amin’ny fanakatonana ny lisi-pifidianana amin’ ny manaraka. Rehefa faranana ny lisi-pifidianana dia tsy tokony hokitihina intsony. Fotoana izao hanatsarana hatrany ny rafi-pifidianana eto Madagasikara.
R. Nd.