Madagasikara- Afrika Atsimo: hihamafy ary hivelatra ny fifandraisan’ny roa tonta

Nitsidika ara-pomba fifa­najana ny Jly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimie­randoholona, i Khazamula Lawrence Chabane, masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Mada­gasikara. Omaly, teny amin’ny Lapan’Anosikely no nanatanterahana izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany. Ankoatra ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo izay efa nisy hatramin’izay, anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitra ireto ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny sisintany sy ny fifanampiana raha sanatria misy loza an-dranomasina.
Mitohy sy mihatsara ary mi­velatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’i Madaga­sikara sy i Afrika Atsimo. Ahi­tana izany fiaraha-miasa izany ny eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny Antenimie­ran­doholona. “Manao ny ezaka rehetra hanampiana ny Fahe­fana mpanatanteraka hitadiavana izay mahasoa ny vahoaka malagasy sy hampandrosoana an’i Madagasikara ny Ante­ni­mierandoholona”, hoy ny Jly Ravalomanana Richard. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fifandraisana ara-diplomasia sahala amin’izao atao amin’i Afrika Atsimo izao, entina mampiroborobo ny fiaraha-miasa ahazoan’ny firenena roa tonta tombontsoa.

Lin

Partager sur: