Nanambana basy tetsy Ivato : telo lahy nanafika Cash point voasambotra

Nandroba vola tamin’ny sakaosy niampy telefaonina, tra-tehaky ny zandary ny telo lahy nitam-piadiana nandroba Cash point tetsy Ivato, afakomaly. Iray hafa karohina.
Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point tao amin’ny fokontany An­tsahambilo, kaominina Ivato.
Tratra tao talatamaty, afakomaly ny iray. Voasakan’ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-baovao taorian’ny asa ratsiny ireo jiolahy roa lahy tompon’antoka tamin’ ny fanafihana mpanao Cash point io, ny 20 novambra lasa teo tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Tompona toeram-pandefasam-bola amin’ny alalan’ ny finday tao amin’ny fokon­tany Antsahambilo, kaominina Ivato ity lasibatra ity. Hamonjy fodiana niaraka amin’ireo zanany roa, narahina moto roa izy. Tsy niala alavitra ny toeram-piasany, nosakanan’ ny moto iray avy ao alohany izy telo mianaka. Nidina nanatona io tompona Cash point io, araka izany, ilay lehilahy nitondra ny moto iray nanaraka raha toa nisongona ka nibahana azy ireo ilay moto faharoa. Voambana basy, noterana hanome ny vola teny aminy sy ny finday fampiasany rehetra ilay lasibatra. Tsy afa-nanda, natahotra ny ainy ity farany ka nanome izay notadiavan’ireo olon-dratsy.

Nifanenjehana

Naharay loharanom-baovao ny zandary fa nisy efa-dahy nanao taingon-droa tamin’ny moto avy nandroba Cash point. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ireo olon-dratsy izay nihazo ny lalam-baovao. Voasakana ny roa lahy. Sarona teny amin’ izy ireo ny sakaosy nisy ny vola avy nangalariny niampy ny telefaonina. Tafaporitsaka ny roa hafa namany. Nogiazana ny moto Scooter. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandary, fantatra fa mpanao taxi-moto avy eny Namontana ny iray. Mpiray ombon’antoka kosa ilay namany. Ankoatra azy roa lahy, nitoroka ny mpiray tsikombakomba azy izy ireo ka nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io fahatelo io ny zandary. Vokany, tratra tao Talatamaty ny lehilahy fahatelo. Hifampitadiavana ilay fahefatra voalaza fa nitsoaka niaraka tamin’ny basy poleta nampiasan’izy ireo nandritra ny fandrobana. Naverina amin’ ny tompony avokoa ireo en­tana rehetra voaroba.

Tsiferana R.

Partager sur: