Notanterahina tao amin’ny ivontoerana fampiofanana ho an’ny asa famonjena manokana ao Barikadimy Toamasina, ny zoma sy sabotsy teo, ny fiofanana momba ny fananganana vina ny asa sy tombana ho amin’ny taona manaraka. Miisa 30 ireo manamboninahitra nanaraka ny fiofanana, nahitana ny avy ao amin’ny brigade infanterie Atsinanana, Bataillon infanterie Ambatondrazaka sy Toamasina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny Etamazao-ron’ny Tafika an-tanety, ny Jly Rakotoson Jocelyn, ny jeneraly misahana ny fitantanana olombelona eo anivon’ity etamazaoro ity sy ny lefitry ny kaomandin’ny brigade d’infanterie Atsinanana ary ireo manamboninahitra ao an-toerana. Tanjona ny hampitoviana sy hananana lasitra iray ho fananganana ny vina ny asa sy tombana amin’ny taona manaraka ary mba hampitovy ny fomba fijery iraisana eo anivon’ny ratsamangaika eo amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Marihina fa fanombohana ihany ny tao Toamasina fa hitohy manerana ny Nosy izany.
J.C