Tsy navelany hatory amin’izao ny zava-bitany tamin’ny fotoam-piasany fa hampahafantarina ny taranaka aty aoriana. Natolo-dRamiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT) teo aloha, ny boky “My story of my tennis life”, mirakitra ireo fotoana samihafa.
“Famaranana ny fihodinana ny kianja fa tsy ny tsipika farany”, hoy Ramiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona malagasin’ ny tenisy teo aloha (1991 – 2004), raha nanolotra tamin’ ny fomba ofisialy ny boky “My story of my tennis life”, omaly, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy. Mirakitra ny tantara sy ny asa nataony nandritra ny taom-piasana efatra izany. Misy pejy 28 ary vita amin’ny taratasy manjelatra sy maro loko.
Voarakitra ao ny fotoan-tsarotra nolalovan’ny Tenisy ka niantsoan’ny minisitry ny Fanatanjahantena, Badroudine azy hitondra io taranja io ary nahalasa azy ho filohan’ny federasiona. Teo koa ny taona niotazam-bokatra satria tamin’ny fotoana nitondrany, niatrika lalao Olympika hatrany ny tennis malagasy, nanomboka tany Barcelone ny taona 1992 ka hatrany Athène 2004, izay nantsoiny hoe “taom-bolamena Olympika”. Naneho ny alahelony izy fa taorian’izay, tsy hita intsony ity taranja ity.
Mahakasika ilay boky, nisaorany manokana Itompokolahy, i Charles Andriantsitohaina izay ray mpiahy sady nanohana ny federasiona tamin’ny nitondrany ary ny Imprimerie Niag, nanampy azy tamin’ny famoahana ny boky. Amidy 1 Alina Ar ny boky, izay efa namidy nanomboka omaly. Azo jifaina manerana ny Nosy hatrany am-pita ny “My story of my tennis life”.
Nanotrona azy omaly, Randriantefy Dally, mpilalao Tenisy sangany ary intelo niatrika ny lalao Olympika sy Randriantefy Max, mpampianatra sady mpanabe. Samy nidera ny ezaka vitan-dRamiandrasoa Serge avokoa izy mianaka. Tsy nanafina ihany koa fa tena tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny Tenisy, amin’izao fotoana izao ka mila averina amin’ny toerany sy homena lanja.
Torcelin