Toekarena : antoky ny fampandrosoana ny tanora

Tombony ho an’i Madaga­si­kara ny fananana tanora maro eto amin’ny firenena izay antoky ny fampandrosoana. Nosokafana ny talata teo, « ny Herinandro ara-toekarena Aemaja », andiany fahatelo tetsy amin’ny gara Soarano. Nilaza ny filohan’ny fikambanana ara-toekarena malagasy sy japoney (Aemaja), Ratodi­soa Andonirina, fa “mila atao laharam-pahamehana ireo fandaharanasa ho an’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto an-toerana sy ny fampanan’asa ny tanora. Zava-dehibe ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona entina hampandrosoana ny firenena.
Modely fakan-tahaka ho an’i Madagasikara i Japana. Laharana fahefatra matanjaka ara-toekarena maneran-tany. Mpiara-miombon’antoka anisan’ny mampiasa vola betsaka eto amintsika ny japoney. Toy ny fananganana fotodrafitrasa goavana eto amin’ny firenena sy ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika. Ankoatra izay, mila hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-pandraharahan’ny firenena roa tonta indrindra ny sehatry ny varotra. Eo amin’ny jono manokana, hafarana avokoa ny 75% ny filana ara-tsakafo any Japon. Noho izany, mbola malalaka ho antsika ny tsena any an-toerana. Fo­toana nifampizarana ireo sehatra mahomby azo trandrahan’ny firenena roa tonta ny herinandro ara-toekarena. Namaritana ihany koa ireo tondrozotra handresen-dahatra ny mpamatsy vola japoney mandritra ny Ticad 2025 atao any Yokohama.

Henintsoa Hani

Partager sur: