Nahatratra 4 023 kilao ny masomboly vary an-drano sy 2 088 kilao vary an-tanety, nomena ny tantsaha miisa 563 any amin’ny kaominina miisa 8 any Amoron’i Mania. Nisy koa zezika NPK 8 445 kilao sy zezika biolojika 42 225 kilao. Hiatrehana ny taom-pamokarana 2024-2025 ireo kojakojam-pambolena ireo avy amin’ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Bad ara-bola miara-miasa amin’ny FDA.
Vaky ny fantsona iray lehibe DN 400 an’ny Jirama eny Ambodivona. Vinavinaina ho vita ny 25 novambra teo ny asa, saingy afaka andro vitsy vao hiverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano satria tsy maintsy hampiakarina ny tosiky ny rano. Nisy fahatapahana noho izany ny famatsian-drano eny Ampasampito, Soavimbahoaka, Gamo, Anjanahary, Manjakaray, Andrainarivo, Ambodivona ary Ankadifotsy.
Miisa 16 ny olona niofana mahakasika ny fiompiana trondro, tany amin’ny kaominina Andriba, distrika Manakara, ny 26 novambra teo. Misy amin’izy ireo no efa miompy trondro, saingy mila manamafy ny fahaiza-manaony. Fiompiana an-dobo sy an-tanimbary sy ny sakafon-trondro ny fiofanana narahin’izy ireo. Teo koa ny lafiny fitantanana ny fihariana. Narahina fampiharana teny an-kianja ny fiofanana.