Tsy voalohany akory no hisehatra ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ireo mpanakanto tanora manana ny lazany amin’izao fotoana izao. Sambany kosa ny «Vibe Tropical», hetsika izay hotontosaina ny zoma 6 desambra izao, iarahana amin’i Lion Hill, Basta Lion, Mr Sayda ary i
L-Jo.
“Homena ny anjarany amin’ny mozika tropikaly ny eto Antananarivo, satria maro no miandry izany amin’ny toerana miavaka toy ny Lapan’ny fanatanjahantena”, hoy ny nambaran’i Nivo Rakotojaona, tompon’andraikitra ao amin’ny Ecoprod, izay mpikarakara ny hetsika, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Star Andraharo.
Hizara amina toerana roa ny hetsika. Amin’ny 2 ora dia hisokatra ny “Espace disco”, eny amin’ny esplanade. Hanafana izany i Dj Looping, mpikosoka kapila sy mpanentana efa fanta-daza. Amin’ny 4 ora kosa no hanomboka ny fanafanana sehatra ao anatin’ny lapa, hataon’ireo mpikosoka kapila hafa. Manomboka amin’ny 7 ny tena fampisehoana, ifandimbiasan’ireto mpanakanto ireto.
“Tena fampisehoana feno no hataon’ny tsiriaray, satria samy hanana eo amin’ny ora iray sy sasany avy eo. Fara fahakeliny adiny 5 ora tsy miato ny fampisehoana amin’ io”, hoy ny nambaran’i Azia Djivah, avy ao amin’ny Ecoprod hatrany.
Zo ny Aina