Atao eto Madagasikara mandritra ny roa andro, omaly sy anio, ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Riafco. Nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina.
Ireo rafitra fampandehanana hanavaozana ny famatsiam-bola ny vondrom-bahoaka. Io no lohahevitry ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Réseau des institutions Africaines de financement des collectivités locales (Riafco), natomboka teny Ivandry, omaly, ary hifarana anio. Nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Mandray anjara amin’izao fikaonandoha iraisam-pirenena hanatanterahana ny fanamby amin’ ny famatsiam-bola ifotony izao ny delegasiona 11 avy amin’ny firenena mpikamban’ny Riafco. Eo ny avy any Burkina Faso, Burundi, Cameroun, Côte d’Ivoire, Mali, Mauritanie, Niger, Repoblikan’i Guinée, Repoblika demokratin’i Congo (RDC), Sénégal, Togo. Eo koa ireo manampahaizana iraisam-pirenena sy ny solontenan’ny fikambanana mpiara-miombon’antoka.
Tanjona ny hampahazava ireo olana mifandray amin’ny famatsiam-bola ny vondrom-bahoaka ifotony, indrindra ny fiatrehana ny fanamby mihamitombo amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Hampiasaina koa izany amin’ny sehatra handalinana ny paikady mikendry ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo tanjona lehibe maneran-tany toy ny Agendas 2030 sy 2063. Misy ny tohana stratejikan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny vola sy teknika. Hahazoan-tombony amin’ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka teknika sy vola mirotsaka amin’ny fanatanterahana asa amin’ny Drafi-pirenena amin’ny fitsinjaram-pahefana fisandratana (PNDE) eto Madagasikara izany. Anisan’izany ny Banky iraisam-pirenena, ny tetikasa Mionjo, ny Pnud, ny Tahiry fampitaovan’ny Firenena mikambana (UNCDF), ny fiaraha-miasa alemaina (GIZ) amin’ny alalan’ny tetikasa Prodécid, ny Ambasadaoro frantsay amin’ny alalan’ny Scac.
R. Nd.