Wednesday Morning Group : hanolotra “Bazar de Noël”, andiany faha-60

Ho fiomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely, mikara­kara “Bazar de Noël”, andiany faha-60 ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy, ny 30 novambra izao izany. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ambasadaoro maro sy orinasa samihafa, toy ny groupe Andriantso­tahiana. “Natokana ho amin’ny fanofanana ireo vehivavy sy renim-pianakaviana amin’ny tontolon’ny zaitra eo anivon’ny WMG avokoa ny tombom-barotra rehetra azo amin’io hetsika io”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana WMG, Fiona Tsiranana, nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, tetsy Anosy, omaly.
Orinasa maro no handray anjara hivarotra ny vokany eny an-toerana, amin’io fotoana io. Ho hita eny avokoa ireo zava-drehetra manamarika ny fetin’ny Noely. Toy ny sokôla, ny vatomamy, kilalao… Hampiavaka ny hetsika, ny fahatongavan’ny dadabe noely, hibaby fanomezana ho an’ireo ankizy, hotro­nin’ireo “Lutins” sy ny mpitendry mozika. Handray anjara ihany koa ny ambasadaorin’ny Etazonia, Egypte, Comores. Miaraka amin’ny consultant an’i Grèce, Espagne, Italie, Suède ary Malte. Ankoatra izay, handray anjara amin’ izany ihany koa ny WMG, hampirantian’izy ireo ny asa tanana sy ny zaitra ataony mandritra ny fiofanana omena ireo vehi­vavy eny Am­ba­toroka. Etsy ankilany, misy ny tombola ahazahoana loka maro samihafa, toy ny tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina avy eto Antananarivo mankany Paris. Manentana ny olon-drehetra ho avy hitsidika ny hetsika ireo mpikarakara.

Mino

Partager sur: