5 taona nikatonana : hiverina hisokatra ny Base Toliara, velombolo ny mponina

Ho afaka hihodina amin’izay ny orinasa Base Toliara, mitrandraka fasimainty. Hitondra vahaolana amin’ny fahantrana sy fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana.

Tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 28 novambra teo, fa nofoanana ny fepetra mampihantona ny asan’ny Base Toliara. Tsiahivina fa, nanomboka ny taona 2019 no naaton’ny fanjakana ny fahafahan’ity orinasa ity miasa. Nosinganin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly, fa nisy hatrany ny fifampidinihan’ny roa tonta, mba hahafahan’ny tetikasa toy izao mitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena, indrindra any amin’ny faritra sy ny toerana hitrandrahany.
Hisy fifanarahana hataon’ny fanjakana sy ny orinasa Base Toliara atsy ho atsy. Nomarihin’ny minisitra fa maromaro ny dingana mbola hatao, izay mety haharitra 14 volana, fa ilay didim-panjakana manala ny fampihantonana no tena ilaina aloha. Ani­san’izany ny fijerena ny lafiny sosialy (RSE), ny tombontsoa ho an’ny mponina, ny rafitra eny ifotony…
Tombanana hatrany amin’ny 5 miliara dolara ny vola hiditra amin’ny fanjakana mandritra ny fiharian’ny Base Toliara, manodidina ny 4 tapitrisa dolara isan-taona. Ao anatin’izany ny hetra, ny haba, ny tamberim-bidy samihafa. Hiteraka asa mivantana sy tsy mivantana anarivony, izay Malagasy ny 80%, araka ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Mialoha ny tena fitrandrahana, mbola misy ny fananganana fotodrafitrasa, izay mety haharitra telo taona. Tsiahivina fa anisan’ireo tetikasa roa lehibe mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny Base Toliara.

Faly ny vahoakan’i Toliara
Efa ela no niandrasan’ny mponina any Toliara sy Atsimo Andrefana ity fiverenan’ny fisokafan’ny Base Toliara ity. Nisolo tena azy ireo, ny olobe toa an’i Mana Parfait,ny manampahaizana terak’ Atsimo Andrefana, ny raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny vahoaka maro anisa. Nankasitrahin’izy ireo, omaly, ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, satria tena misy ny fanantenana hampandroso ny any an-toerana, fa tsy ho fasan’ny tetikasa intsony ny any Toliara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: