Hiatrika ny fifaninanana afrikanina amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo, i Madagasikara, anio. Tonga nanome tsodrano azy ireo ny lehibena andrimpanjakana eto Madagasikara, omaly, tetsy Mahamasina.
Mba ho fanampiana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, mandritra ity fifanintsanana afrikanina, “Fiba 3×3”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio hatramin’ny alahady, ity. Tonga nanolotra tsodrano sy lelavola ho an’ireo Malagasy mpilalao ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Abdulah Moustapha, omaly, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nilaza ity mpitantana ny fanatanjahantena eo anivon’ ny rafi-panjakana ity, fa avy amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, ireo fanampiana ireo. “Manohana tanteraka ny Ankoay ny filohan’ ny Repoblika malagasy mandritra ity fifaninanana ity”, hoy ihany izy.
“Misaotra ny fanjakana sy ny filoham-pirenena malagasy izahay. Vonona tanteraka ny mpilalao rehetra ary manome toky fa hanome ny tsara indrindra avy aminay ary tsy hamoaka ny amboara hiala eto Madagasikara”. Io ny tenin-dRatianarivo Livio Rocheteau, kapitenin’ny Ankoay, lehilahy.
Tsara marihina fa miisa 11 ny firenena mpifanintsana ho an’ny lehilahy ary 9 ny an’ny vehivavy. Tsiahivina moa fa ny taona 2022, tany Egypte, no voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny basikety lalaovin’olona telo ny Ankoay.
Fitia Randria
Fantaro ireo firenena mifaninana amin’ny Fiba 3×3:
Lehilahy
1.Algerie, 2.Benin, 3.Republique Centrafricaine, 4.Egypte, 5.Kenya, 6.Liberia, 7.Madagascar, 8.Mauritanie, 9.Rwanda, 10.Seychelles, 11.Ouganda
Vehivavy :
1.Benin, 2.Republique Centrafricaine, 3.Comores, 4.Egypte, 5.Kenya, 6.Liberia, 7.Madagascar, 8.Rwanda, 9.Ouganda.