Diplomasia : misokatra ny masoivohon’i Madagasikara ao Maroc

Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fanokafana ny ma­soivohon’i Madagasikara ao 30 R Old Said Rabat Souissi, Maroc, ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, afakomaly, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, omaly. Niaraka tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny maraokanina misahana ny fiaraha-miasa afrikanina sy maraokanina, Sem Nasser Bourita, izy tamin’izany. Nilaza ity farany fa zava-dehibe ho an’ny firenena maraokanina ny fananganana ny masoivoho toy izao, fa hanamora ny fifandraisana amin’i Madagasikara. Nambaran’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika kosa fa ha­metraka dingana vaovao eo amin’ny tantara izao fanokafana ny masoivoho ao Rabat izao. Hametraka indray ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Maroc eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Nisaorany ny Agence marocaine de coopération internationale (AMCI) tamin’ny fa­nampiana sy ny nahazoana nanatanteraka ny iraka.
Tapaka tamin’ny 2019 ny fananganana ny masoivoho any Rabat. Tanteraka izany amin’izao miaraka amin’ny fa­nendrena ny ambasadaoro Johary Hoela Rajobson, tamin’ny 28 aogositra 2024. Ma­nan-tantara ny fanokafana ny masoivoho fa voatsiahy ny naha sesitany ny Mpanjaka Mohammed V tany Antsirabe, teo anelanelan’ny taona 1954 sy 1956. Tamin’ny 15 aogositra 1994 kosa no niorenan’ny fiaraha-miasa ofisialin’ny firenena roa tonta, ary tamin’ny 2006 no nanokafana ny ma­soivohon’i Maroc eto Madaga­si­kara. Teo koa ny fitsidihana manan-tantara nataon’ny Mpanjaka Mohammed VI teto Madagasikara, novambra 2016.

R. Nd.

Partager sur: