FIARABE nentin’ny ranotrambo: fito namoy ny ainy, maro ireo tsy hita popoka

Zaza telo sy olon-dehibe efatra, namoy ny ainy vokatry fivadihan’ny fiarabe rehefa niampita tetezana tao Betroka, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nitondra mpandeha 130 raha ny voasoratra tao anaty manifold-n’ny fiara, lasan’ny ranotrambo io fiara fitateram-bahoaka io. “45 ireo avotra soa aman-tsara hatreto ary fito no voamarina fa namoy ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy tao Betroka, Nicolas Randrianasolo, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nosokirina tao anatin’ilay fiarabe ireo mpandeha am-polony ireo. Tsy nahatsiaro tena, sempotra ny ankamaroan’ireo olona navotana. Nanao izay ho afany namoaka ny tenany ireo lehibe. Sahirana ary niandry olona nanavotra azy ireo kosa ny zaza. Na izany aza, nifanome tanana tamin’ny famonjena ireo tra-doza ny mpitandro filaminana, ny sampana mpamonjy voina, hatramin’ny fokonolona ao an-toerana. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, mbola mikaroka ireo olona voalaza fa tsy hita popoka, anisan’ireo mpandeha tao anatin’io fiara io ny tomponandraikitra. fiarabe avy ao Amboasary nikasa hihazo an’Ilakaka ity tra-doza ity. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Tsiferana R. sy CMS

Partager sur: