Tsy mitsahatra ny mijotso ny laharan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, nivarina ho faha-115 ny Barea de Madagascar raha toa ka faha-109 ny filaharana farany, izay nivoaka ny oktobra lasa teo. Nampidina ity filaharana ity ny faharesena roa azon’ny Barea, tamin’i Tunisie sy i Comores, farany teo.
Marihina fa maro ny fiovana hita, nandritra ity fitantanan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF) vaovao ity. Raha teo amin’ny vokatra, tena mangidy ho an’ny mpankafy ny taranja ankehitriny, ny nahazoan’i Comores fandresena 1 no ho 0, nanoloana ny Barea, ny 18 novambra lasa teo, tany Maroc. Tsiahivina nefa fa tsy mbola nandresy an’i Madagasikara mihitsy i Comores talohan’izay.
Ankoatra izay, betsaka ireo mpilalao tsy misy klioba nandrafitra ny Barea, nefa misy amin’ireo atleta eto an-toerana sy any La Réunion, no anaty fifaninanana tsara, saingy tsy mahazo sehatra amin’izany mihitsy. Ao ihany koa ny tsy nahazoan’ny Kianja Barea fankatoavana avy amin’ ny Caf, ka tsy afaka nilalao teto an-tanindrazana ny Malagasy. Andrasana izay vahaolana mivaingana hapetrak’ireo mpikambana ao amin’ny FMF.
Tsiahivina fa mitady mpanazatra hitantana ny Barea A ny rafitra federaly, samy miandry fatratra ilay anarana, handimby an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, teknisianina, ny maro.
F.R