Miha midina hatrany ny salan-taonan’ny tanora sy ankizy mitsindrona zava-mahadomelina eto Madagasikara. Anisan’ny fototra iray manaparitaka ny tsimokaretina VIH/Sida anefa ny fanaovana izany.
Mahatratra 1 580 ireo olona mitsindrona zava-mahadomelina raisin’ny ONG Ainga/Aides an-tanana hatramin’izao. Mitondra tsimokaretina VIH/Sida avokoa ny 80 mahery amin’izy ireo ary efa manaraka fitsaboana. Miha midina ny salan-taonan’ireo tanora mitsindrona zava-mahadomelina ireo, raha ny eto Madagasikara. Ankizy 8 taona ny kely indrindra mandray azy io ary lahy kely ny ankamaroan’izy ireo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ity fikambanana ity hatrany, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, omaly. Fantatra fa olona sahirana sy miaina eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo no betsaka amin’izy ireo. Antony mahatonga azy ireo hirona amin’izany ny olana eo anivon’ny tokantrano sy ny olana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka. Mora resy lahatra amin’ny fifandraisana amin’ny olona avy ivelany izy ireo, noho izany, ka mirona amin’ny zava-mahadomelina.
Entanina hiala tsikelikely
«Anjara andraikitray ny manara-maso azy ireo, toy ny fanoloana ny fanindromana vaovao sy ny fanentanana azy ireo sy ny fianakaviany mba hiala tanteraka amin’ny fitsindromana zava-mahadomelina io », hoy ny tomponandraikitra teknika eo anivon’ny fikambanana, Rakotomalala Ando. Nambarany fa anisan’ny fototra iray hifindran’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fitsindromana zava-mahadomelina. Amin’ny ankapobeny, tsy afaka intsony raha vao tafiditra ao anatin’io sehatra io satria ilain’ny vatana foana ilay izy sady lasa aretina ihany koa, raha ny nambarany. « Mba hahafahana mitarika azy ireo hiala amin’ny zava-mahadomelina, tsy maintsy entanina miaraka amin’ilay marary ny fianakaviany sy ny manodidina azy vao manomboka ny fitsaboana », hoy hatrany izy. Miverina mitsindrona foana izy raha vao izy irery no tsaboina. Nohamafisiny fa mitarika fahafatesana tampoka ny fanaovana izany. Marihina fa hotanterahina ny 1 desambra izao ny fankalazana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Jita Kyo Ei sans Roro amin’io andro io. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Hakudokan Judo Club ihany koa izany.
Mino