Mikaikaika ny federasiona : marary ny fanatanjahantena eto Madagasikara

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny federasiona avy amin’ny taranja maro, omaly, manoloana ny zava-misy iainan’ny atleta malagasy. “Marary ny fanatanjahantena malagasy”, hoy ny antso nataon’ireo filohana federasiona, tetsy amin’ny foiben’ny Komity Olympika Mala­gasy Ivandry. Miantso dinika hiarahana amin’ny MJS ny “mouvement sportif”. “Tsy nitazona ny teny nomeny ny minisitera”, hoy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby, Randria­ma­narivo Harinelina. “Tanjona ho anay federasiona ny hanatanteraka ny velirano faha-13 ho an’ny tanora sy fanatanjahantena, izay napetraky ny filoham-pirenena, kanefa ma­hatsiaro miady irery izahay”, hoy hatrany ny fanazavany. “Na ny fifaninanana eto an-toerana, na fiofanana, indrindra fa ny fifaninanana iraisam-pirenena dia tsy misy hahazoan’ny federasiona fanampiana avy amin’ny minisitera”, hoy ny nohamafisin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra, Ambinitsoarivelo Jean Herley. Naneho ny alahelony ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ ny rugby.
Nitondran’izy ireo fanamarihana koa ny fisian’ny fotodrafitrasa natsangan’ny fanjakana ho an’ny mpanao fanatanjahantena kanefa tsy azo ampiasaina. Nisaotra ny filoha Rajoelina Andry izy ireo amin’ ny fitiavany ny tanora sy ny fanatanjahantena malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: