Matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tao Ramainandro, distrikan’i Faratsiho, ny 27 novambra hariva teo. Nidiran’ny jiolahy dimy nisaron-tava ny tranon’ny renim-pianakviana iray tao amin’io kaominina io. Voalaza fa sotasota fotsiny no nataon’ireo mpanafika satria nokapain’izy ireo ny antsy ny omby roa nifatotra tao am-bala. Tsy vitan’izay fa mbola nopotehin-dry zalahy koa ny sarety, hatramin’ny varavaran’ny tranon’io vehivavy io. Nikasa hiditra an-keriny hitady ny tompon-trano ireo olon-dratsy saingy tafavoaka ny trano izy. Niantso vonjy ka vory lanona ny fokonolona teo an-tanàna. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo jiolahy. Voasambotra ny iray nisaron-tava ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Mpiara-monina eo an-tanàna ihany ireto nahavanon-doza ireto, araka ny voalazan’ny niharam-boina.
J.C