Nihotsahan’ny tany : dimy lahy maty teo am-pitrandrahana volamena

Mpitrandraka volamena dimy maty nifampisokirana tao ambanin’ny ranontany ny alarobia 27 novambra teo. Mbola misy roa naratra, tao Maevatanàna.

Nianjeran’ny ranontany teo am-pitrandrahana volamena, dimy lahy niara-namoy ny ainy tao Am­bo­loando, fokontany Man­draty, kaominina Antsiafabo­sitra, distrikan’i Maevatanàna, ny alarobia teo. Samy mpiady volamena ao amin’io toeram-pitrandrahana io, tsy nisy nanampo na inona na inona fa nanao ny asa fanaony mahazatra izy dimy lahy. Nihotsaka tampoka anefa ny toeram-piasan’izy ireo. “Nihotsaka tampoka ny lavaka ka tavela tao anatiny ny olona miisa fito”, araka ny fanazavan’ny zandary misahana ny fanadihadiana. Nikoropaka namonjy ireo namany tavela anatin’ny lava-bolamena ireo mpitrandraka teo amin’ny manodidina. Nanao sarotra ny famonjena azy fito lahy. Vokany, tsy tana ny ain’ny dimy tamin’izy ireo. Nitarika ny fahafatesany ny tsy fisian’ny rivotra sy ny vesatry ny tany nanindry azy tao anaty lavaka.

Avotra soa aman-tsara
Tetsy ankilany, avotra soamantsara ireo roa lahy naman’izy dimy izay niaraka tototry ny tany. Nijery ifotony ny zava-misy ny zandary sy ny mpitsabo avy eo anivon’ny kaominina. Notsaboina avy hatrany izy roa lahy lasibatra ka tsy nisy natahorana ny ainy. Efa nalain’ny fianakaviany avokoa ireo dimy lahy niara-maty. Voamarina fa samy avy any Ambatolampy avokoa ireto mpitrandraka volamena niharan-doza ireto. Tsiahivina, ilaina fitandremana ireo faritra ahina hisy fihotsahana amin’izao vaninandro fahavaratra izao satria matetika miteraka famoizana ain’olona izy ireny. Telo mianaka koa maty nianjeran’ny tamboho tao amin’ny trano fonenany teo Andrefan’Ambohijanarahy, ny faran’ny herinandro teo.

Tsiferana R.

Partager sur: