SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, miisa 50 ireo Malagasy mpilalao miatrika ny sivana faharoa amin’ny fandrafetana ny Barea de Madagascar, izay hanao ny fifanintsanana Chan 2024. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io, fa ireo mpilalao mifaninana eto an-toerana ihany no mahazo sehatra amin’ity Chan ity ary 30 ihany no anaty lisitra ofisialy, ka 23 no mpilalao fototra ary ny 7 hatao fiandry.

Mbola mitana ny laharana voalohany amin’ity fifaninanana Ligue des Champions (LDC) 2025 ity ny klioba anglisy Liverpool FC. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Real Madrid Espaniola, afakomaly, tany Anfield Angleterre. Tsiahivina fa izay vao afa-bela tamin’ny Real ny Liverpool.

Mauritanie sy Seychelles no hisantatra ny fifaninanana ho amin’ny anio, ao anatin’ny Africa Cup 3×3, taranja basikety, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Amin’ny 4ora hariva kosa no hiakatra kianja ny Ankoay.

Tontosa ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Karaté, natao tany Espagne. Tsy nanana solontena tamin’izany i Madagasikara saingy nanatrika ny fifaninanana tany an-toerana ny filohan’ny federasiona. Nifampidinika tamin’ny filohan’ny WKF ihany koa izy hanatsarana ny karaté malagasy.

Partager sur: