TARATRY ny KANTO

Fampirantiana saripika, ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Sanganasan’i Aina Zo Raberanto sy Henitsoa Rafalia, mpaka sary sady mpanao gazety, ireo haranty manomboka anio, amin’ny
7 ora alina. Arahina seho hataon’i Lock & Dee sy Ranto Niaina izany, hanasana ireo mpankafy ny kanto marolafy.

Rock ranoiray, eny amin’ny Food La City Ivandry. Hifampizara ny sehatra ry Tselatra sy Apost, tarika roa samy manamarika ny tantaran’ny rock eto Madagasikara. Hamerina ireo mpankafy any amin’ny taona 90 sy 2000 any, kanefa koa hitondra ireo hira vaovao izay manamarika fa manohy ny lalany eo
amin’ny tontolon’ny mozika ry Eric sy ry Abasse.

« Malala », « Zakarandahy », « Raditra », sy ny maro samihafa indray no handravaka ny eny amin’ny Phoenix Restaurant Mahazoarivo. Anio amin’ny 7 ora sy sasany no hanomboka ny seho, iarahana amin’i Benny sy Bebey ary Nini Kolibera. Seho an-tsehatra tsy niova tamin’ny nahafantarana ny tarika hatramin’izay no ampanantenain’izy ireo amin’ity anio ity.

Hisy ny hetsika “Slam Ikaly” atao eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, anio, manomboka
amin’ny 3 ora folakandro. Fampisehoana tafiditra ao anatin’ny “Slam national 15”. Sehatra natao manokana ho an’ireo mpiangaly “Slam poèsie” tsy afa-niatrika fifaninanana nasionaly izy ity. Eo koa ny fanomezana sehatra ireo vao misandratra.

Partager sur: