Nanolotra fitaovana ahafahana miatrika ny loza voajanahary sy ny tandindon-doza ho an’ny BNGRC sy ny kaominina efatra iasany ny tetikasa Produir, tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Antanimora. Kit Sap, ampiasaina amin’ny rano sy fitaovam-piasana 1 900 no hotsinjaraina hampiasaina manomboka amin’ny fotoam-pahavaratra 2024-2025, indrindra rehefa mandalo ny rivodoza ka miakatra ny rano. Hisitraka ireo fitaovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, kaominina Bemasoandro, Andranonahotra ary Anosizato Andrefana. Efa misy vaomiera manokana misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ireo kaominina efatra ireo, izay mandrindra sy manara-maso ny fampiasana ny fitaovana rehetra. “Ny 16 desambra ho avy izao vao hotsinjaraina ho an’ny kaominina mpiara-miasa ireo fitaovana noho ny lamina”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, Elack Andriakaja Olivier. Misy ampahany amin’ny fitaovana hokirakirain’ny BNGRC. « Natao hiarovana ny tanàna amin’ny tondradrano sy ampiasaina ao anatin’ny hamehana ny fitaovana », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana.
Natao mifanaraka amin’ny filana eny ifotony ny fitaovana natolotra, ahitana motopompe, tranolay, fitaovana ilaina amin’ny fiomanana mialoha (alerte précoce), sambo lehibe misy motera ao anatin’ny tetikasa Produir ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. « 650 000 ireo efa nahazo tombontsoa mivantana avy amin’ny fisian’ny tetikasa », hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Atitany.
Vonjy