Hahatratra 5% ny fitomboan-karena amin’ny taona 2025, araka ny vinavina ao anatin’ny tetibolam-panjakana (LFI 2025). Anisan’ny hianteherana hanatrarana izany ny fampiakarana ny voka-bary, ho 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara, raha 2,5 t/ha ny salanisa, ankehitriny. Hampiasaina ny masomboly vary safiotra, izay miaka-bokatra ao anatin’ny 120 andro monja.
Vita hatrany amin’ny 95% ny asa fanarenana ny lalana RN44, eo anelanelan’i Tsinjorano sy i Tsarahonenana (PK 233+500 sy PK 402+800) any amin’ny faritra Betsiboka. Manatanteraka ny asa ny orinasa CBR avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fidirambolam-panjakana anatiny (RPI). Vinavinaina ho vita amin’ny volana desambra ho avy io ny asa rehetra.
Miisa 104 000 ny tokantrano hisitraka ny tetikasa « Defis Plus ». Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tafiditra ao anatin’ity tetikasa fanampiny ity ny fahafahan’ny tantsaha miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanarenana ny fotodrafitrasa ara-pambolena, ny fiarovana ny sahandriaka sy ny fitahirizana ny rano, sns.