« Africa Cup 3×3 » :Tsara fanombohana ny Malagasy

Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Tsara fanombohana ny Malagasy

Fandresena avy hatrany no nisantaran’ny ekipam-pirenena malagasy ny andro voalohany, amin’ny « Fiba 3X3 Africa Cup », izay nanomboka omaly. Samy nahomby avokoa na ny Ankoay lehilahy na ny vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nahazo ny fandresena tamin’ny isa 19 no ho 14 i Madagasikara, nanoloana an’i Bénin. I Livio, Malagasy mpilalao no nanokatra ny isa, izay nisesisesy ny isa 2. Tetsy ankilany, nanenjika ny isa i Bénin, saingy tara loatra ny fampidiram-baolina ho azy ireo. Resin’ny Malagasy tamin’ny elanelan’isa 3 izy ireo. Na teo aza iny fandresena voalohany iny, mbola ady mafy no miandry ny Malagasy. Satria, tsy azo atao mihitsy ny manao tsinontsinona ireo mpifanandrina, araka ny fanazavan’ny mpilalao, i Elly. Mbola nandresy an’i Seychelles tamin’ny isa 21 sy 17 ihany koa izy ireo tamin’ny lalao faharoa, omaly ihany.
Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, nanjakazaka hatrany am-panombohan’ny lalao ry Muriel sy ny namany ary nosantarin’i Chine tamin’ny isa 2 ny fanokafana ny isa teny amin’ny solaitrabe. Na nisy aza ny lesoka kely teny an-tsefantsefany teny, norombahin’ny Ankoay ny fandresena nanoloana an’i Uganda, tamin’ny isa 21 no ho 14. Ady anisan’ny nisongadina sy niady tamin’ny andro voalohany, omaly, ny lalao teo amin’i Kenya sy i Rwanda, sokajy lehilahy, tao amin’ny vondrona A. Efa nitarika tamin’ny isa 14 noho 8 ry zareo kenianina no nihoaran’i Rwanda, ka resy tamin’ny isa 16 no ho 21.

Mi.Raz

Partager sur: