Notokanana ny alakamisy teo, ny foibe CME, misahana ny fiahiana ny reny sy ny zaza etsy Antohomadinika. Toerana nohavaozina handraisana ireo reny tanora sy zaza marefo mila tohana sy fanarenana.
Tafiditra ao anatin’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ny hetsika fanavaozana.
Niarahana tamin’ny fondation Axian sy ny fikambanana MADE ny fanavaozana ny fotodrafitrasa.
Efa maherin’ny 10 taona no niantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ny fikambanana MADE. Anisan’ ny tantaniny ny CMF, mandray an-tanana ny zaza latsaky ny 5 taona kamboty na zanaky ny fianakaviana tena sahirana.
Ny CME kosa dia manohana ireo reny tsy ampy taona na tanora loatra sy ireo zaza marefo miaraka amin’ny tohana ara-tsosialy sy fibeazana. Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady amin’ny zaza ary manofana arakasa ilay reny hanana foto-pivelomana.
Misongadina ny asan’ny fikambanana ka izany no nandrisika ny fondation Axian hitondra fanavaozana sy ainga vao indray hahafahana mandray mampivelatra ny asa fiahiana ny marefo.
Tatiana A