Hisy zava-baovao roa hahaliana ny 30 novambra. Andro vitsivitsy lasa izay no nanao izay fanambarana izay ny édition Karné. Tonga ilay fotoana hampahafantarina, anio manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Ibis Ankorondrano izany. Boky ho an’ny ankizy roa izy ireo: “Il faut vaincre Trimobe” ny voalohany, izay nosoratan’i Andrea Razafi. “Ikalamara, une fille de couleur” kosa ny faharoa, nosoratan’i Mampianina Randria. Samy mpikambana ao amin’ny Opération Bokiko ireto tanora mpanoratra ireto. Samy naharesy lahatra ny édition Karné ihany koa, izay mandray an-tanana ny fanontana sy ny famokarana ny boky roa.
Niainga tamin’ny anganon’ i Trimobe mahazatra ihany ny bokin’i Andrea Razafi. Tantaran’ ankizilahy izay liana amin’ireo karazan’angano tantarain’ny raibeny izy ity. Niraikitra tao an-tsainy ny halozan’i Trimobe, ka nanapa-kevitra koa izy ny hamono azy… Misy pejy 56, izay nohaingoan’i Owflens amin’ny kisary izany.
Mifono hafatra mafonja hampitain’ny mpanoratra kosa ny boky “Ikalamara”. Natao ho an’ireo ankizy 8 hatramin’ ny 14 taona izany, kanefa na ny lehibe aza mety ho liana aminy. Tantarana ankizivavy iray sahiran-tsaina amin’ny volon-kodiny, ny fihaviany sy ny fari-piainany, kanefa afaka nihoatra izany izy ity. Anatin’ny 26 pejy, noravahan’i Ef izany.
Tohin’ny ezaka fampitiavana ny vakiboky ho an’ny ankizy sy ny tanora, efa nataon’ny éditions Karné hatramin’izay ny famoahana ireto boky ireto. Mifanjohy amin’ny andraikitry ny Opération Bokiko, izay misy ireo mpanoratra roa vavy ihany koa.
Zo ny Aina