Fitsarana malagasy : miroso amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ireo tomponandraikitra

Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana fitsarana mangarahara. Efa misy ny asa sy dingana ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany.

Nifarana omaly ny atrikasa fanamarinana ny didim-pitsarana natao tany Ampefy, nanomboka ny 26 novambra teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, tohanan’ny USAID sy ny Pnud izy ity ary fiaraha-miasan’ny minisiteran’ ny Fitsarana sy ny « Mouvement pour l’éthique et la déonto­logie de Madagascar » (Medem). Tanjona ny hanamarina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny fanafoanana didim-pitsarana navoaka teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2018. Eo ihany koa ny famitana ireo fitaovana niomerika amin’ny fanaovana an-jotra izany. Natao izany mba hisian’ny fi­tsarana mangaraharaha sy ho an’ny rehetra.
Didim-pitsarana manodi­dina ny 2 090, navoaka teo anelanelan’ ireo taona voalaza ireo, no nofantenan’ny Medem halalinina nandritra ny atri­kasa. Ny 1 016 amin’ireo no voa­marina fa efa mandrafitra ny angona fototra, araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ ny minisiteran’ny Fitsarana. Dingana maro sy tena goavana no lalovana vao voaangona sy voapetraka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ha­namafy ny mangarahara sy ny fahombiazan’ny rafi-pitsarana ary hanamora ny fahazoana ny lalàna ho an’ny rehetra, araka izany, ity tetikasa ity.
Mifanindry an-dalana amin’ izay fanamarinana ny fanafoanana didim-pitsarana izay, efa am-periny ihany koa ny famolavolana ny sehatra niomerika. Sehatra ahafahan’ny rehetra manaraka akaiky ny momba ny fitsarana sy ny lalàna malagasy. Hanampy amin’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fitsa­rana, amin’ny fametrahana fangatahana fanafoanana didim-pitsarana ary hiantoka ny fampitomboana ny fahatokisana ny fitsarana ity sehatra niomerika ity.

Lin

Partager sur: