Mara Volamiranty Donna :: “Fitaovana ampitana hafatra ny MSK”

Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tetsy Nanisana ny masoivohon’i Chine miasa eto Madagasikara, i Ji Ping, afakomaly. Betsaka ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy izy ireo, amin’ny sehatra maro samihafa. «Anisan’ny fitaovana voalohany indrindra ampitana ireo hafatra fototra ahafahana manantanteraka ny laharam-pahamehana ataon’ny fitondram-panjakana sy ny masoivohon’ny Sinoa, ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.
Mbola mitohy ny fiaraha-miasa ary efa ao anatin’ny fanatanterahana ny asa, toy ny fidinana ifotony ataon’ny filoham-pirenena any Chine. Ankoatra izay, hotohizana ny fanofanana ny mpanao gazety malagasy any amin’ity firenena ity, satria asa mivoatra ary mitaky fahaiza-manao io asa io. «Hifanome tanana amin’ny fampitana traikefa sy fikojakojana ny vakoka ho an’i Madagasikara ihany koa i Chine», hoy hatrany izy nanamafy. Amin’ny maha firenena matanjaka eo amin’ny lafiny kolontsaina azy.

Mino

Partager sur: