Nanazava mahakasika ny fandaharanasa fampiofanana ireo mpampianatra teny anglisy eto Madagasikara Rabeharindrasana Ravaka, mpandrindra ity tetikasa ity ao amin’ny masoivoho amerikanina.
1 200 ny mpampianatra teny anglisy voaofana hatramin’ny taona 2020. Havondrona amin’ny volana jona 2025 izy ireo hiatrika ny fampiofanana lehibe, ka mpampianatra 150 no handray anjara amin’izany.
Hisy mpampianatra 5 avy any Etazonia ho avy hizara ny traikefany. Toraka izany, ny manam-pahaizana manokana momba ny teny anglisy ary ary ny lehiben’ny programa momba ny teny anglisy aty Afrika Atsimo Atsinanana.
Marihina, niforona nanomboka ny volana jolay teo koa ny fikambanan’ny mpampianatra teny anglisy manerana an’i Madagasikara izay miara-miasa akaiky amin’ny masoivoho amerikanina. Avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ireo mpampianatra ireo.
Ireo efa niantsehatra ela tamin’ny fampianarana no mandray anjara amin’izany. Ireo mahazo fiofanana dia mizara traikefa amin’ny mpampianatra manodidina azy indray.
Misongadina ny vokatra satria hofanina amin’ny fomba fampianarana amerikanina izay manaraka ny fenitra amerikanina mihitsy ireo mpampianatra. Mampiasa ny fitaovana sy ny fomba fampitana ny fahaizana…
Miavaka ny ankizy ampianarin’ireo mpampianatra nanaraka fampiofanana. Mora raisina sy natao hahafinaritra ny fianarana. Mitondra fiovana sy fanovana any amin’ny sekoly ireo mpampianatra niofana.
Tatiana A