Maty vokatry ny fanolanana nataon’ny raikeliny i Maurena kely tao Andrainjato Fianarantsoa, ny alakamisy teo. Naiditra am-ponja io raikely nahavanon-doza io.
Aiza ihany ilay lalàna momba ny famosirana e! Niady tamin’ny fahafatesana, tsy tana ny ain’i Maurena kely, ilay zaza 7 taona niharan’ny fanolanana tao Ankiady, fokontany Antanifotsy V Andrainjato, kaominina Fianarantsoa, ny 28 novambra teo. Niharan’ny filan-dratsy nataon’ny raikeliny ny 1 novambra lasa teo io zaza io. Namonjy fahoriana ny renin’ny zaza tamin’io fotoana io ka nanararaotra nanao ny fanolanana ilay tsy mataho-tody. Nitaraina, narary mafy ilay zaza telo andro taorian’ny tranga. Nampiahiahy ny fianakaviany io toe-javatra io ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ary nozahana ny lasibatra. Voamarina fa voaolana izy.
Vao mainka mirongatra…
Nitoroka ny raikeliny ho nahavanon-doza i Maurena kely. Norahonan’io lehilahy io tamin’ny antsy izy mba tsy hilaza amin’iza na iza. Herinandro taorian’ny voina, tsy tafatsangana tao am-pandriana intsony io zaza io. Notsaboina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy, afakomaly. Nihombo loatra tao anatiny ny aretina. Efa naneho fihetsika nampiahiahy ny renin-jaza rahateo ilay raikely. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ity farany. Natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika any am-ponjan’Ankazondrano. Na teo aza ilay lalàna navoakan’ny fanjakana amin’ny hamosirana ireo jiolahy tratra nanolana, vao mainka mirongatra izany. Maro ireo ankizikely niharan’ny herisetran’ireo jiolahy, ny ankamaroan’izy ireo namoy ny ainy. Fotoana izao tokony handinihina ny hampiharana io lalàna momba ny famosirana io.
Tsiferana R.