Hiditra amin’ny andro faha-10 ny fifaninanam-pirenena “XXL Top 12”, taranja rugby. Fihaonana hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa tonta. Hanala vela amin’ity ny Boaikelin’Ankasina. Samy manana ny fomba filalaony ny andaniny sy ny ankilany. Tam, manana ireo mpilalao vaventy, ka azo antoka fa hitondra ny fanafihana ao anaty “pack d’avant”. Etsy ankilany, manana ny paikady entiny manohitra ny mpifanandrina aminy ny TFMA ka izay taktikan’ny Tam no hanoherany azy.
Hangotraka tokoa, araka izany, ny fifandonan’ny roa tonta. Tsy hifampitsitsy ary tena fifanandrinan’ny samy teknisianina ny lalao ka ho resy izay tsy mahay mampiasa ny fahaizany. Ankoatra izay, hifanandrina ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny Mang’Art. Mila mandresy ny Cheminots raha tsy te hilatsaka. FTBA kosa hifampitana amin’ny STM (Savony).
Tompondaka