Nitsidika ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, ny solontena maharitry ny Unicef miasa eto amintsika, Christine Jaulmes. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fihaonana, tetsy amin’ny biraon’ny minisitra Nanisana, omaly. Anisan’ny nojerena manokana ny fanavaozana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Unicef sy ny ORTM.
Hotontosaina anio ilay seho “Kalo gasy, iray fitempo”. Eny amin’ny Arena Ivandry no hanatontosana azy ity, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ny tarika Zandry Gasy, hitondra ny “Bagasy mazia romotra” sy ny tarika Miray kalo, hamelona indray ireo hira teatraly sy kalon’ny omaly.
Fampisehoana roa ao anatin’ity faran’ny herinandro ity. Any Antsirabe ny Tanora masina Itaosy, hanatanteraka seho ao amin’ny Chapelle militaire protestanta, anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Ny Chorale Tafiky ny Lanitra no mikarakara izany. Rahampitso 1 desambra, indray, ao amin’ny FLM Ambano, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Manana zavakanto sy kolontsaina miavaka i Madagasikara. Antony iray tsy hisian’ny fivelaran’ireo ny tsy fisiana rafitra mazava hoenti-mitantana sy mandrindra azy ireny. Na ny sehatra tsy miankina, na ny fanjakana, samy manao izay heveriny fa mety hampiroboroboana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Saingy, tsy hita soritra loatra ny fiovana. Mila havondrona ny hery sy ny fahaiza-manao sy mitrandraka.