Maherin’ny 3 000 ny tokantrano hisitrika angovo « biométhane » any Antsirabe. Angovo biolojika vokarin’ny orinasa Madagaz, mahatratra 3 200 Mw isan’ora, ampiasana akora 6 000 taonina isan-taona. Herinaratra avy amin’ny akora voajanahary, toy ny fako, havadika entona fandrehitra, ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo. Mitantana ny orinasa i Minoarisoa Faratiana, manampahaizana manokana amin’ny Biogaz.
Nofanina hahafehy ny fampiasana ny finday (Smart mobile) ny polisin’ala sy ny polisin-drano any amin’ny faritra Menabe, ny 17-24 novambra teo. Mpikambana ao anatin’ny Vondrona olona ifotony (VOI) any an-toerana izy ireo. Nisitraka izany ny any Antseranandaka, Andranopasy, Ambalahonko, Marohata, Ankoba, any Belo sur Mer, distrika Morondava. Nanohana ny hetsika ny Dreed Menabe, ny WWF, ny Fivoi.
Tsy ampy 700 000 taonina isan-taona ny filana vary eto Madagasikara, araka ny kabarin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, mahakasika ny tetibola 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena farany teo. Vahaolana hatao, tanjona ny fanafarana sy ny famokarana masomboly karazana vary safiotra, avy any ivelany, toy ny avy any Sina, manome vokatra
8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara.