Tra-tehaky ny mpianatry ny oniversite ny mpangalatra tao amin’ny Campus Barikadimy, ny 30 novambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Niditra antsokosoko tany amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ny mpianatra io lehilahy io. Nanararaotra ny andro maizina, nangalariny ny ordinatera iray. Tsikaritry ny iray tamin’ny mpianatra ny fisian’io olona nampiahiahy io. Nifanenjehana izy. Tsy tafavoaka ny faritry ny anjerimanontolo, voasambotry ny solontenan’ny mpianatra ity farany. Saika nanamparan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Leo ny fandikan-dalàna sy fisian’ny mpanao hala-boty rahateo ny mpianatra ka nisy tamin’izy ireo tsy voasakana fa nidaroka avy hatrany . Tetsy ankilany, nampandre mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nihatrana teny an-toerana, nifampiresaka mivantana tamin’ny solontenan’ireo mpianatra nahasambotra io mpangalatra io ny zandary. Nentina namonjy birao ary natao fanadihadiana ilay mpandroba. Tafaverina amin’ny tompony ny entana nangalariny. Niverina tamin’ny laoniny ny fandriampahalemana tao aorian’izay.
Tsiferana R.